Fizarana: Romario Herilanto avy any Ankadinondry Sakay mianatra any Allemagne

Antsa Honeywinner
25 min readJan 26, 2024

Rohy YouTube Video feno

Rohy Facebook Video misy fizarana 4.

Ahoana ary ny fomba nianaran’ireny tanora nahomby sy lasa lavitra tamin’ny fianarana ireny? Ahoana ary ny lalana nandehanan’ireny tanora Malagasy lasa nianatra any ivelany ireny? Inona marina ary no tena ataon’ireny tanora Malagasy hoe mianatra any ivelany ireny? Eto amin’ity pejy ity isika no Mahita ny valiny ka araho ary ity pejy raha toa ka liana amin’izay zavatra izay ianao. Ianao mpanaraka no mametraka fanontaniana amin’ny vahiny dia hapetrako aminy rehefa mihaona izahay. Romario Herilanto avy any ankadinondry sakay mianatra any allemagne no vahinin-tsika androany manaraha finaritra.

Sarin’i Romario

Fanamarihana Tsy agence Romario, Tsy mandray dossier Tsy mikarakara,fa mizara ny experience ananany

Romario: Romario Herilanto no anarako, avy any Ankadinondry Sakay Madagasikara aho.Ny parcours nandehanako tamin’ny fianarana: tao amin’ny EPP Ankadinondry Sakay aho nanomboka nianatra, T1 ka hatramin’ny kilasy T4.
Ary ny T5 aho nifindra tao amin’ny sekoly FJKM Ambohidrano Andrefana Fahazavana, Sabotsy Namehana (Madagasikara), ary tao no nahazoako ny diplaoma valohany, CEPE. T6 sy T7 aho nianatra tao amin’ny CEG Sabotsy Namehana. Ary niverina tany Ankadinondry Sakay aho nanohy ny fianarako T8-T9 tao amin’ny CEG Ankadinondry Sakay, izay nahazoako ny diplaoma BEPC. Taorian’ny BEPC dia tao amin’ny lycée Ankadinondry Sakay ka nahazo ny Bacc série C ny taona 2013.

Tao aorian’izay dia nianatra tao amin’ny ENS filière Mathématiques. Marihina fa izay no promotion voalohany tamin’ny mathématiques tamin’izany andro izany.
Dia nahavita ny licence aho ny taona 2017 ary niezaka nanohy M1 ihany. Fa teo amin’ny S7 dia nijanona nohon’ny olana ara-bola…Fotoana…Ary tsy maintsy niasa… Ary niezaka niasa amin’izay nanomboka ny taona 2018.
Nandritra iny fotoana niasako iny indrindra no nahitako hoe: misy opportunité hafa izay afaka handehanako mankany ivelany. Ka teo no nanombohako nianatra ny teny Allemand début 2019, 2020, 2021.Ary nanomboka ny volana Jona taona 2022 aho no lasa taty Allemagne.Herintaona sy fito volana eo izay no nahatongavako teto Allemagne.

Antsa: Tantarao hoe ilay nianatra allemand…

Romario: Nandritran’ny fotoana nianarako allemand moa izaho sady niasa nampianatra mathématique tamin’ny école privé tao Antananarivo
Dia ny zava-nisy tamin’izany in-telo isak’erinandro aho no mianatra allemande izany hoe miasa aho ny maraina ary mianatra allemand aho ny hariva ohatra ohatran’izay ary ny fotoanako somary fenofeno tamin’izany fotoana izany. Nisy olona zokiko izay efa nahay allemande efa ela
Dia nifanerasera tamin’izy ireny miezaka ny miteny ,tsy mihafahafa
Dia ry zareo moa manitsy. Dia ianao koa manaiky hoe izay ilay izy
Ny tena base-ny fianarako dia ny mianatra ny miteny irery eo am-body fitaratra ,fara faha-keliny aho 30 minitra eo ambody fitaratra
Mamerina izay zavtra haiko sy manamafy izay zavatra tokony mbola hianarako sy manampy izay vocabulaire nianarako. Izay no tena base
Izany hoe somary auto-didact kely amin’iny zavatra iny
Dia miaraka amin’ny famakiana boky teny allemand.
Mihaino hira allemande.
Rehefa mijery zavatra amin’ny internet dia atao amin’ny teny allemand, hatramin’ny langue ampiasaina amin’ny telephone aza dia efa mba ovaina allemand daholo.
Dia lasa ohatra ny hoe iainanao ilay izy, dia mandeha ho azy avy eo, dia izay.

Dia mialohan’ny nandehanako taty Allemagne, avy any Madagasikara aho dia efa nahazo ny certificate, A1, A2, B1, B2.

Antsa: Ahoana ny fandaminana fotoana?

Romario: Satria moa ny tena efa nianatra mathematique tao amin’ny ENS aty hamafiko etoana fa mathematique izany tsy mora.
Maraina, hariva, mathematique foana, dia efa misy rindrandamina izany ao mipetraka.
Dia amiko manokana ilay izy efa nandeha ho azy satria efa zatra an’izay fandaminana fotoana tamin’ny fanaovana mathematique izay aho. Dia nampanarahako an’izay fotsiny ilay izy hoe eto amin’ny fotoana eto aho miasa, eto misy pratique kely ataoko, misy fotoana aho mangataka mihitsy satria maromaro ny olona efa fantatro hoe efa taty allemangne tamin’izany fotoana iany, dia mangataka appel video amin’izy ireny aho mba hanaovako pratique kely, hoe mba hahitsio raha misy tsy mety.
Dia miezaka mandamina tsikelikely eny izany ianao manaraka ilay evolution anao eny.
Ianao koa anefa raha vao tsy mahalala ny niveau hoe aiza.
Mila mahatsapa tena izany ianao hoe mbola ambany izany niveau-ko izany.
Hay diso, mila mahay hahitsy.
Izay no tena base, fa misy mantsy ny olona rehefa hahitsin’ilay olona mahay an’ilay izy dia mahatsiaro hoe fanakianana ilay izy.
Fa amiko nefa ilay izy tsy fanakianana fa fanatsarana.
Dia miankina amin’ny tsirairay, fa izao.
Izaho rehefa mianatra dia mianatra, rehefa pause dia pause.
Izay ny ahy no fandaminako ny fotoanako sy ny ridrandamiko.

Antsa: Ahoana ilay mipetra-drery?

Romario: Ilay mipetra-drery aloha izany efa tsy vaovao amiko intsony rehefa tonga taty allemagne, satria izahay dia avy any ambanivohitra Ankadinondry Sakay.
Ny Ray Aman-dReny any Ankadinondry Sakay, izaho nianatra tao Antananarivo, izany ho azo lazaina vahiny aho tao Antananarivo, dia efa nipetra-drery.
Tamin’ny voalohany ilay izy hitako hoe sarotra sy mafimafy Tamiko
Satria ny tena zanaka sahirana eo ny fianarana,kanefa ny vatsy sy ny ohatra ohatr’izany, indraindray tsy maharaka amin’ny maha zanak’olona sahirana ny tena, dia ilay miezaka sady miasa manao izay asa hita kely eny no sady nianatra tao amin’ny ENS, tena sahirana, dia tany izy izany no somary sarotsarotra kely amiko, fa kosa rehefa tonga taty allemagne,
Ataoko hoe mety efa zatra ilay tany aho angamba dia efa tsy probleme amiko intsony ilay mipetra-drery tonga taty.
Fa ny fianana aty fotsiny tamin’ny voalohany no somary miova, miova tena hoe misy zava-baovao be tsy takatry ny saina sy eritreretina hoe misy an’izao kay izany, ohatra ohatr’izao kay izay ilay fiainana aty, dia niezaka ni-s’adapte, dia niezaka nanenjika ilay niveau de vie tonga dia samihafa be mihitsy.
Niezaka nanaraka an’izay angamba teo amin’ny telo volana nahatongavana teo aho no sahiran-kirana, fa taorian’izay, amin’izao moa izany efa mba normal tsara ihany.

Antsa: Inona ilay asa natao fony mpianatrin’ny ENS?

Romario: Tamin’izaho nianatra tao amin’ny ENS dia nampianatra tao amin’ny ecole privée. Nisy fotoana izahay tamin’ny nianatra tao amin’ny ENS, tsy mianatra isakin’ny alakamisy hariva ary amin’iny fotoana iny izany no hanatsofohanao an’ilay ora kelinao hoe handeha hampianatra ary amin’ny privé ary
Dia rehefa week end moa izany dia mazava ho azy tsy mianatra ,amin’iny indray no manenjika kely an’ilay clours particuliers ary dia misy ohatran’izao kely ary dia miezaka manenjika an’ireny rehefa vacance izahay tao amin’ny ENS tamin’izany fotoana izany mody mankany ankadinondry sakay ary mandeha manao manoeuvre miaraka amin’ny zokinay satria izy mpandrafitra
Izay izany no fotoanako tamin’izany fotoana izany vacance mitady vola
Mandeha ny fianarana sady mianatra no mitady vola satria ny Ray aman-dreny sahirana
Moa tsara kokoa ny hoe mahaleo tena amin’ny zavatra atao rehetra
Tsara kokoa izay ho an-tsika tanora

Antsa: ahoana ilay miara -mipetraka amin’ny colocataire any Antananarivo vs any allemagne

Romario: Zavatra roa samihafa mihitsy. Raha any Antananarivo ianao, izao no mipetraka. Izay olona hitanao ao dia fantatrao hoe gasy ireo mitovy kolontsaina. Ny fomba fiaianana mitovitovy na dia misy azan y hoe avy any amin’ny faritra, ohatra izay dia tany ianao izany miaina ohatra ireny normal ireny,
Amin’ny fifandraisana samy gasy, fa rehefa tonga taty di any colocataire dia ry zareo tompon-tanàna Deutch izany,
Deutch, hoy ny aty izay hoe rainiboto, dia misy Africaine, misy Colombiane, dia misy Venezuela, misy maro be izany ny olona miara-miaina aminao, olona avy any amin’ny firenena samihafa, firenena eran’izao tontolo izao.
Tsy mitovy ny culture, tsy mitovy ny religion, andeha ataoko hoe fomba fiainana sy ny resaka sakafo aza tsy mitovy, dia somary sarotsarotra kely tamin’ny voalohany, fa rehefa mihazatra moa izany dia azo lazaina hoe inclu ao anatin’ilay fiarahamonina kely ihany. Fa ny avantage aty Allemagne, ny discipline aty tena mipetraka.
Aty firenena tena discipline.

Antsa: Misy zavatra nianaranao tao amin’ny ENS ve mbola ampiasainao amin’izao.

Romario: Tena misy tokoa ao anatin’izany pédagogie, didactique, psychologie. Ary misy ihany koa zavatra natao tany amin’ny classe de quatrième, seconde, terminale. Resaka anatomie humaine, psychiatrie. Izay izao ao anatin’ny zavatra hianarako amin’izao. Ary ny tena base-n’ny anay dia tena hoe pédagogie. Pädagogish “allemande” moa izy auf Deutsch “allemande” en allemand.

Antsa: inona no fianarana atoanao any Allemagne?

Romario: …heler………(allemand) en allemand fa raha adika amin’ny teny français izay zavatra izay dia hoe éducateur spécialisé.
Misy karazany maro aty ny resaka mpampianatra. Misy any amin’ny kindergarten (allemande) any amin’ny resaka ankizy kely. Izany hoe any amin’ny Jardin d’enfants dia misy any amin’ny ankizy efa lehibehibe. Io zavatra io nefa mizara roa, na ianao mampianatra any amin’ny ankizy normal izany.
Dia misy ihany koa anefa ny an-dry zareo ny mpampianatra any amin’ny ankizy handicap. Ohatra amin’izay ankizy handicap izay izao ny ankizy autiste, ankizy autiste sy ny ohatr’ohatra izany ireny.
Dia ny spécialité-ko any amin’ilay ankizy resaka autiste izany hoe: éducateur spécialisé aux enfants autistes et handicapés.
En gros izany ilay izy mpampianatra, izay no afaka hilazantsika azy amin’ny teny gasy. Fa afaka atao terme ihany koa ilay izy hoe: pedagogue angamba.
Satria raha hoe: hampianatra aho, tsy manana matière manokana. Ohatra hoe hampianatra mathématiques ohatran’ny tany Madagasikara. Fa aty dia hoe: pedagogue mihitsy aho izany. Ohatra hoe mety mampianatra azy ny resaka fiainana. Mampianatra azy hoe ohatran’izao ny fandakana baolina rehefa miara-milalao an’azy. Mampianatra azy hoe eto isika no mahazo miampita amin’ity arabe ity. Eto misy jiro mena tsy mahazo hiampitana izany hoe manampy azy amin’ny fiainana andavan’andro manontolo mihitsy izany aho en tant que hoe izay mihitsy ilay asa.
Ho an’ny ankizy manana fahasembanana ara-tsaina, misy ihany koa ho an’ny ankizy… ohatra hoe manana problème amin’ny Ray aman-dreniny.
Ohatra izany hoe ny Ray aman-drenin-dry zareo mpisotro taoka be dia misy ady foana ao an-trano dia déprimé ilay zaza avy eo.

Romario: rehefa déprimé ilay zaza dia ohatrany hoe ny olona ohatranay no mikarakara azy, izao izany ohatraohatran’izao izany remediation. ohatraohatran’izao ny tokony ho atao amin’azy. Ohatran’izay,
ohatraohatran’izay ilay izy raha hazavaina tsotsotra.
Fa tsy voatery ankizy ihany ny spécialité anay fa…
Zaza
Ankizy
Olon-dehibe na ny antitra
Fa ny tena branche hanarako amin’izao dia eo amin’ny zaza sy ny ankizy. Eo amin’ny efatra tao ka hatramin’ny 18 taona eo.

Antsa: Programme éducatif Allemagne vs Madagascar

Romario: en génerale aloha ilay izy, misy mahasamihafa be azy, azo lazaina hoe: mitovy fa samihafa
Raha any amin-tsika izao mianatra ny ankizy mandrapaha-tonga eo amin’ny BEPC
Dia rehefa tonga eo amin’ny BEPC ny ankizy manana choix na ho any amin’ ny lycée technique izy na ho any amin’ny lycée d’enseignement génerale
Dia rehefa manana BAC dia miditra université avy eo izay ny any amin-tsika
Fa ny aty kosa dia mizara roa mitovy ny any amin-tsika aloha izany hatreo amin’ny BEPC
Izany hoe:rehefa mahazo BEPC izany ny olona aty ,dia eo amin’izay manan choix na ho any amin’ny ataoko hoe:sekoly fianarana asa na ho any amin’ny enseignement génerale haka ny BAC Abitour(allemand) hanala back dia izao ny fandehan’ilay izy eo amin’ ny BEPC eo izany ny an’i zareo no kihon-dalan’ny fisarahana
Raha ohatra izany ianao ka hiditra any amin’ ny Lycée maka bacc dia manan bacc ianao avy eo dia afaka manohy eny amin’ny université arak’izay safidinao izay ny amin’ilay any amin’ny Lycée fa kosa anefa manana BEPC ianao holsoulrife(allemande)izay ny anaran’ilay izy aty fa mba hampazava ilay izy izany dia ataoko hoe mitovy amin’ny BEPC. Avy eo ianao tonga dia miditra any amin’ny sekoly fianarana asa ohatran’ny hoe formation professional mandritran’ny roan na telo taona aorinan’ilay BEPC dia mivaoka avy ao ianao iny ianao ilay ohatran’ny hoe olona efa vonona ny hiasa dia tonga dia miasa avy hatrany ary mandray karama mahavelona tsara misy salaire de base tena hoe: mahavelona tsara izany ilay izy
Fa hoan-dry zareo firenena mandroso dia apetrako dia nye to dia ny eto tiany kokoa izany ilay manohy any amin’ilay maka BACC dia avy eo izy manohy an’ ilay eny amin’ny université 60% an-dry zareo izany izay donc any amin’ny 40% zareo any no mandeha any amin’ilay sekoly fianarana asa na AUSCHBILDUNGISCH (allemand)
Izany hoe formation professional io tonga dia mianatra asa avy hatrany ianao ny fomba fianarana amn’izay fotoana izay mianatra ianao iray volana ,manao pratique any am-piasana an’iny zavatra iny ianao iray volana dia miverina mianatra indray ianao iray volana
Ohatran’izay ilay izy mifandimbindimby mandritran’ ny roa na telo toana na efatra toana
Fa ilay étude universitaire moa iny tsy hazavaiko fa iny mitovy amin’ilay any amin-tsika ihany hoe: S1,S2,S3… Ainsi de suite
Ary zareo tonga dia vonona ny hiasa ary aty ny asa tena important be, satria anisan’ny mampandroso ny firenena
Ary aty ny asa no mitady olona fa tsy ny olona no mitady asa.

Antsa: Ianao ve any boursier sa miasa?

Romario: Ny ataoko aty tsy bourse,fa mbola hiditra amin’ilay resaka fanazavana bourse izay ihany aho mantsy rehefa avy eo,fa ny ataoko izany ilay AUSCHBIULDUNG (allemand) raha vita ilay BEPC dia tonga dia miditra any amin’ny fianarana asa avy hatrany aho, izay ilay asa efa notantaraiko teo ilay hoe pedagogue teo
Fa tsy bourse ny ahy satria ny antony dia izao rehefa atao reconnaissance aty ny diplôme antsika avy any madagasikara,
Dia mitovy amin’ny BEPC an-dry zareo
Dia ny licence an-tsika mitovy amin’ny bacc an-dry zareo
Mialoha ny nandehanako taty nanao reconnaissance ny bacc aloha dia izany hoe manana ny BEPC taty aho
Ohatrin’ny hoe efa nanana ilay BEPC taty aho
Nahafako nitady an’ilay hoe fianarana sady miasa io dia…
Dia miaraka amin’ny contrat ilay izy ,contrat anao mandritran’ny telo toana mandrapahavitan’ny fianarana dia efa ao anatin’ny hoe ato ny fianaranao dia ato ny toerana anaovanao pratique PRAKSIS(allemand) hoy ry zareo aty
Dia…mianatra ary any ianao iray volana dia miverina aty am-piasana miasa tena miasa normal tena hoe manao pratique ilay zavatra nianarana mandritran’ny telo toana misy première année ,deuscième année ka hatramin’ny troisième année
Ao amin’ny troisième année ianao manao examen final dia mahazo ilay izy
Ka izaho dia anisan’ilay manao an’io fa tsy bourse no nandehanako aty
Izany hoe:ny objectif-ko mila mahazo an”io diplôme io aho
Mila mahazo an’io certificat vita formation professionel nandritran’ny telo toana io
Dia eo indray aho mandinika hoe hiasa ve izaho sa hampiasa ilay diplôme licence mathématique-ko
Izany hoe manana choix be dia be aho izany
Arak’ilay noteneniko teo moa izany vao niala tany madagasikara aho dia efa nanana A1;A2;B1;B2
19:12 Romario dia tamin’ny voalohany aloha somary sarotsarotra ilay miresaka amin-dry zareo en direct satria zareo koa manana dialecte ,izay aloha aleo dia mipetraka mitovy amin-tsika ihany hoe:fiteny avy any avaratra,fiteny avy any an-tsimo
Misy dialecte izay ilay izy fa en gros moa ilay izy tena allemand ,ohatran’ny teny allemand rehetra ihany
Fa arak’ilay dialecte dia somary sarotsarotra
Ny fitadiavana resaka hoe namana moa izany izaho tsy mbola manana hoe namana tompon-tanana aty fa mpiara- miasa sy mpiara mianatra
Ny zavatra tena tsikaritro ,miezaka hoe en contact foana ihany ny samyvahiny,dia ny samy
Étrangers matetika no lasa mpinamana
Ohatra izao hoe:ny mpiara-mianatra amiko izao misy vénezuela,ougandais,misy ivoirien,misy indonésien ohatrohatran’izany
Dia ireo matetika no mifandray voalohany hoe:isika samy étrangers dia avy eo amin’izay mandeha hoazy
Ny any am-piasana moa iny miara- miasa amin-dry zareo tompon-tanana aty ry zareo dutsch(allemand) dia mandeha ho azy ilay izy avy eo ,mihazatra ho azy fa tsy dia hoe izaho akory manana namana be dia be aty

FANONTANIAN’NY MPANARAKA AMIN’IZAY ARY E?
1:Misy bourse complet ve ny an-dry zareo?dia inona avy ny condition?
2:Ohatrin’ny ahoana en génerale ny toetran-dry zareo allemand ireo?

Romario: ho an’ny aty Allemagne ny resaka bourse complète ataoko hoe tsy misy angamba
Satria ny étude universitaire aty payant izany hoe:mandoa vola ianao raha hiditra amin’ny université izay no mahatonga an-dry zareo…
Ataoko hoe izay angamba no mahatonga an-dry zareo manao an’ilay choix hoe maka bacc dia miditra amin’ny université choix ianao manao an’ilay AUSCHBUIDUNG(allemand )dia avy eo ianao tonga dia miasa
Fa aorinan’iny AUSCHBUILDUNG(allemand ) iny ianao mbola afaka manohy amin’ny université no sady miasa izany
Ohatran’ny hoe miasa ianao izany,manangom-bola aloha dia avy eo manohy amin’ny université
Satria ilay izy ny université aty aloha izao…na ianao manana 10mille EURO izany hoe:10mille EURO en compte bloqué izany hoe ohatran’ny hoe assurance anao mandritran’ny fianaranao iny
Na ianao manana olona miantoka,olona efa aty jerena daholo ny condition hoe olona efa miasa stable ve? Otrinona no raisiny ao anatin’ny iray volana?mahavita miantoka anao mandritran’ny fotoana hianaranao io ve?
Izay ny an-dry zareo ny étude universitaire tsy mitovy amin’ny firenena hafa hoe misy bourse
Ny dikan’izay sarotsarotra hoan-tsika étrangers izany ny hoe hianatra amin’ny université aty
Fa mila an’izay ny azy ny condition voalohany,ny an-dry zareo payant
Fa kosa misy an’ilay hoe bourse DAAD izay dia amin’io DAAD io matetika moa izy io ny mpanao doctorat ny manao azy io
Dia tsy maintsy inscrit amin’ny université any madagasicar ianao fa kosa manao séjour de recherche aty deutchland
Dia amin’izay fotoana izy , ilay séjour de recherche afaka ohatran’ny hoe manampy
Dia io afaka manampy izany amin’ilay hoe resaka vola fa arakarak’izay condition hapetraky zareo eo
Ny DAAD moa izany tsy inona fa………………………………………………………………..izay ilay izy
Échange iniversitaire resaka recherche
Dia misy ihany koa ,possible ihany koa raha ohatra hoe ka hanao master ianao izany dia misy an’ilay ERASMUS(allemand )
Misy an’ilay échange programme miaraka amin’ny ERASMUS
Ny ERASMUS moa dia ts’inona akory fa programme des échanges des étudiants et des enseignants entres les université grande école Européenne et des établissemnets des enseignants à travers les monde entiers
Izay no fandehan’ilay ERASMUS
Fa amin’izay fotoana izay ohatran’ny hoe échange récherche ihany koa izany izy io
Ary marihiko etoana fa nisy ankizy promotion-ko tao amin’ny ENS anisan’ny efa nanao an’izy io
Nanao M1 dia avy eo nanao master recherche taty allemagne nandritran’ny herintaona teo izao izy manao doctorat any amin’ny firenena hafa

Antsa: ilay toetra amin’izay
Ny allemande moa izany arak’ilay fitenin-tsika azy hoe rainy boto
Misy dikany be izay teny izay
Ry zareo tena olona discipline be ,manaraka discipline be izany ry zareo
Mba azo lazainy efa nahita firenena maromaro ihany aho ,nahitan’ny France,suise,autriche,Madagascar
Fa hafa mintsy ry zareo ,ry zareo olon manaraka discipline amin-dry zareo izany rehefa OUI dia OUI dia rehefa NON dia NON
Fa ry zareo kosa anefa manampy
Aty moa misy fiteny izay hoe: fragen is costen los(allemand)
Ny dikan’izany dia hoe ny fanontaniana maimaimpoana
Izany hoe raha manontany ianao izany dia mahazo valiny maimaimpoana
Fa ry zareo tena manampy
Ry zareo tsotra
Ry zareo tia mifandray
Fa izay fotsiny ny azy hoe discipline ny azy no mitondra ny fiainana rehetra rehetra
Hoe:ity discipline ity dia tsy maintsy arahin’ny tsirairay na misy inona na misy inona dia izay ny azy

Fanontaniana avy amin’ny mpanaraka
Inona avy ny asa azo atao any allemagne?dia inona avy no tokony atao ahatongavana any raha toa ka tsy misy olom-pantatra?

Romario: ny asa azo atao aty allemagne,misy an’ilay programme aupair,dia misy an’ilay hoe EFESCHOT(allemand)dia misy an’ito ohatran’ilay ataoko ito hoe AUSCHBUILDUNG(allemand)
Izao mantsy no fandehan’ilay izy
Raha hoa aty allemagne izany misy lalana karazany telo arak’ilay noteneniko teo
Ilay aupair:ohatran’ny hoe mijery famille d’acceuil ianao izany,dia rehefa Mahita famille d’acceuil dia miresaka amin’iny hoe izaho afaka manao échange Culturelle any aminareo
Fa ianao izany mankany amin’ilay famille ohatran’ny hoe misy fianakaviana iray ianao mandray anao dia mipetraka ao amin-dry zareo ianao mandritran’n heritaona
Ilay izy moa izany heritaona
Fa manampy an-dry zareo ianao mety hoe manatitra mpianatra na mitaiza ny zanany na…Ohatrohatran’izay izany ny fandehan’ilay aupair
Dia ianao amin’izay fotoana izay hiantohan-dry zareo ny sakafo,ny assurance dia mbola mahazo vola ihany koa ianao ohatran’ny hoe argent de poche
Fa mandritran’iny fotoana hanaovanao aupair iny ianao dia manamafy ny langue allemande anao
Raha ao madagasikara izany,A1/ A2 dia efa afaka manao an’ilay Aupair
Rehefa vitanao ilay aupair dia manana choix roa ianao na ianao anao an’ilay EFESCHAUTE(allemand) na ianao anao ilay Ausbildung (allemand)
EFESCHAUTE(allemand)ohatran’ny hoe volontaire, Izany hoe misy ilay toerana fitaizana antitra, sembana, hopitaly ary travail social
Possible mahazo trano ianao na mety hoe mandoa kely ianao fa ambanimbany ny vola alohanao
Dia eo amin’ny enim-bolana hatramin’ny heritaona eo ny faharetan’ilay izy
Dia ianao amin’izay fotoana izay miasa ohatra hoe any amin’ny hopitaly dia miasa ohatra hoe 5j/7j fa ianao kosa amin’izay fotoana izay mahazo argent de poche betsabetsaka kokoa mihaotran’ilay tany amin’ny aupair
Fa hiantohan-dry zareo ny droit du cours
Manao cours allemand ianao dia hiantohan-dry zareo ny droit du cours arakak’izay fifanarahana anatin’ny contrat ataonao
Vita izay dia miditra amin’ilay Ausbildung (allemand) indray isika resaka formation
Na ianao izany miala avy any madagasikara tonga dia directe afaka manao an’io formation io fa ny condition voalohany dia ny langue allemand ny certificat anao ny fara-faha ambany B2
Raha manana ilay B2 indray izany ianao dia tonga dia direct afaka manao ilay Ausbildung (allemand) dia tonga dia lay formation mandritran’ny telo taona dia tonga dia miasa aty allemagne
Izany hoe ho fintiniko izany izy anak’I telo
Ny lalana izany rny tena lalana normale izany tsy mandingandingana raha ho aty allemagne
Mandala an’ilay aupair herintaona
Volontaire na ESCHAUTE(allemand) EFroa taona izay dia vita iny roa taona iny dia manomboka manao an’ilay formation amin’izay ianao
Izany hoe eo amin’ny dimy taona eo izany ianao ny faharetan’ny zavatra ataonao sy ny fianaranao ataonao dia avy eo ianao afaka miasa avy hatrany
Karama mahavelona tsara,izay angamba noho ilazako azy
Fa misy ankizy tsy nandalo aupair sady tsy nandalo EFESCHAUTE(allemand) fa direct Ausbildung (allemand) ohatran’ny ahy izao,izaho tsy nandalo aupair tsy nandalo
EFESCHAUTE(allemand) fa tonga dia Ausbildung (allemand)

Antsa mila fahavonona be ity rankizy a

ROMARIO Ny fahavononana eo ihany fa finiavana hianatra ilay teny satria ny communication no base-ny rehetra rehetra izany hoe ianao izany rehefa tsy mahay mi-communiqué dia tsy tsy tafiditra anatin’ ny fiaraha-monina tsy misy dikany dia avy eo amin’izay tonga aty ianao dia hoe:sarotra be ,ohatran’izao hoe: tsy misy zavatra azo
Betsaka moa ny ankizy tratran’izay fa miezaka manao an’ilay Deutsch course(allemand )manao cours allemand dia miezaka ny mianatra an’ilay izy dia avy eo miha-mahay an’ilay izy dia afaka mifanerasera amin’izay dia tsy mahatsiaro irery satria mifanerasera amin’olona
Fa raha vao tsy izay dia irery ianao dia iny amin’izay lay misy an’ilay hoe mal du pays sarotsarotra ihany ny aty an-tany lavitra aty fa base-ny voaloahany izany
Ny condition voalohany rah te ho aty di any fahaizana teny allemand izay :no tena premier condition an-dry zareo
Ny faharoa ny fahavononan-tsaina hiatrika izay aty satria rehefa tena miasa dia miasa
Miasa 5jours sur 7jours ianao dia tena miasa arak’ izay
Fa kos any an-dry zareo raha ohatra hoe:marary ianao dia maka taratasy any amin’ny dokotera
Rank is krank(allemand) marary dia marary manana droit ianao tsy hiasa rehefa marary
Fa rehefa miasa dia tena miasa
Ny fahavononana ara-tsaina sy ny fiatrehana izay zava-misy rehetra aty
Satria tsy mitovy ny kolontsainan-tsika sy ny kolontsainan-dry zareo
Dia mila mivonona amin’izay zavatra izay
Mila fahavononana sy faharetana

Fanontaniana avy amin’ny mpanaraka: Ohatrinona ny budget kely indrindra hahatongavana na hahafahana mianatra any allemagne?
Romario: Ny budget kely indrindra aloha tsy fantatro sy ny budget be indrindra
Fa ny fantatro izao dia ny budget-ko
Ny budget-ko izany izao dia toy izao ny fandehan’ny ahy nianatra allemand aho nanomboka ny debut 2019 dia ny decembre 2019 aho nahavita ny A1/A2
Izany hoe nahazo ilay certificat anakiroa
Nanomboka 2020 aho no niditra teo amin’ilay B1
Hanao examen an’ilay B1 aho no tonga corona dia tapitra hatreo moa izany 2020 iny tsy nisy n’inoninona mihitsy
Avril 2021 aho nanomboka nanao an’ilay B1 sy B2 mandrapaha-tonga ny fotoana nandehanako
Izany hoe:izaho niala tany madagasikara juin 2022
Dia ny budget
Izany hoe frais cours d’allemand
izaho moa izany manome conseil hoe tsy misy hafa ankoatran’ny CGM
Izany hoe CGM ihany no manome certificate eken’ny ambassade sy eken’ny aty allemagne
Izany hoe raha manao cours ao amin’ny CGM ianao izany angamba eo amin’ny cours anakiray eo amin’ny CGM environ 600 mille ariary eo ny cours anakiray sady efa miaraka amin’izay ny droit d’examen izay
Izany hoe 600 mille ariary isakin’ny niveau
Arakarakin’ny niveau ilainao izany fa…
Izaho moa hatramin’ny B2 dia mitovitovy amin’izay ihany izaho fa ny fanaovan’ny olona an’azy 600 mille ariary fois 4 eo izany ny ahy
Izay izany raha ohatra ka hoe hiditra ao amin’ny CGM ianao
Fa ny ao Antananarivo moa izany izao efa betsaka ny école mampanao cours allemande fa tsy maintsy mi-passé examen ao amin’ny CGM ianao
Dia ny droit d’examen ao amin’ny CGM eo amin’ny 120 mille ariary hatramin’ny 200 ariary eo
Izany hoe izay aloha Deutsch course fotsiny izay
Ilay Deutsch course aloha izany nandaniko 600mille ariary par niveau dia izay no atao fois quatre
Izay aloha cours d’allemand
Dia ianao anefa manao ny passepart-nao koa dia ny visa anao ihany koa misy droit
Dia ny billet d’avion anao rehefa andeha

ANTSA ianao ihany no niantoka ny billet d’avion anao?

ROMARIO Eny,izaho ihany no niantoka ny billet d’avion nandehanako
Izany hoe tsy haiko hoe ataoko hoe ambony ve izy ity sa ambany
fa tsy haiko izay fahamarinany fa ny fitambarany somary betsabetsaka kely ihany
ny billet d’avion mankaty Europe moa iny atao-tsika hoe compte-na 1000 EURO eo foana ihany
entre 1000 EURO na latsaka kely ohatran’izay

ROMARIO tadiavo ny vola dia manangona na afaka manao ohatr’ahy ihany koa
Izaho izao sady nanao ilay cours no niasa di any vola azoko avy ary ampiasaiko mankaty
Izany hoe ny eo ihany no ahodikodiko izany. Moa raha manana fahefana ny ray aman-dreny tsy maninona
Izao anefa ity zavatra teneniko
Io vola dépense-nao io rehefa manao an’ilay formation ianao
Tena teneniko ity hoe angamba ataoko fara-fah’elany eo amin’ny dimy volana eo dia miverina daholo ny volanao

FANONTANIANA AVY AMIN’NY MPANARAKA
Raha licence ve dia possible ny hahazoana master any sa averin-dry zareo manao master vao mety?

ROMARIO Arak’ilay noteneniko teo hoe ny bacc antsika mitovy amin’ilay BEPC an-dry zareo
Ny LICENCE-tsika mitovy amin’ny BACC zareo
Mazava ho azy fa raha nanana licence ianao tany madagasikara afaka miditra université ianao fa ohatran’ny hoe olona efa manana back dia miverina première année ianao izany amin’izay
Dia ho an’ny master iny indray angamba aloha ataoko hoe miankina amin’ilay université
Université an’ny fanjakana foana aloha izany no reference an-tsika eto
Kanefa izao no zava-nisy nisy ankizy nanao master tany amin’ny AIMS
Dia avy eo niverina nanao master recherche taty
Izany hoe 3ème année tsy niverina nanao licence izany izy
Fa avy hatrany dia master nitohy master izany ilay izy fa arakarak’ilay université
Ary tamin’izay fotoana izay tsara be ilay satria tsy nitaky allemand fa anglais no base
AIMS moa izany anglais ny base-ny
Ary ankizy tsy mbola nahay allemand mintsy izy fa anglais no nampiasainy dia tonga taty izy somary sady nianatranatra kely dia sady nanao an’ilay master en anglais ilay izy

FANONTANIANA AVY AMIN’NY MPANARAKA
Ny Malagasy any allemagne ve mba miray hina sa dia samy mbola samy maka ho azy toy ny eto amin-tsika ihany ?misy boure d’etude sciences humaines et sociales ve any?ahoana ny fahitanao ny situation an’ny mpampianatra any mihaotra ny eto?

ROMARIO en génerale aloha,hatramin’izay nahatongavako taty azoko lazaina hoe miray hina tena miray hina ny aty
Mifanampy ny aty
Mahafinaritra ny fiaraha-monina anay aty
Ary izahay aty misy fotoana izay miara manao fety ,dia misy fotoana koa hoe manao tournoi football di any harivan’iny misy fihaonana matetitetika
Mahafinaritra fa miray hina ny aty

FANONTANIANA AVY AMIN’NY MPANARAKA
Ny Malagasy any allemagne ve mba miray hina sa dia samy mbola samy maka ho azy toy ny eto amin-tsika ihany ?misy boure d’etude sciences humaines et sociales ve any?ahoana ny fahitanao ny situation an’ny mpampianatra any mihaotra ny eto?

ROMARIO Arak’ilay efa nolazaiko teo ny resaka doctorat moa izany,ilay resaka bourse DAAD Io zao no resaka doctorat raha ohatra ka hoe hanao doctorat aty
Fa arak’ilay noteneniko teo hoe tsy maintsy inscrit amin’ilay université any madagasikara ianao fa manao séjour de recherche no ataonao aty allemagne
Dia hatreto aloha izany rah any fahafantarako azy misy tsara mintsy izany fillière izany raha ohatra ka hoe izany no atao aty
Misy ny rehetra rehetra aty !
Ny resaka social izany aty allemagne anisan’ny VISPIS(allemand) hoy ry zareo anisan’ny important be izany aty
Dia misy an’io tsara aty

FANONTANIANA AVY AMIN’NY MPANARAKA
Manahoana ny situation an’ny mpampianatra any mitaha amin’ny aty madagasikara

ROMARIO: raha resaka mpampianatra moa izany ohatran’ny ary amin’ilay hianarako ary hita be hoe professionel zareo
Izay angamba no azoko ilazana azy
Tena hoe ny critère takiana amin’ny resaka fampianarana aty tena hoe sarotiny be tena hoe tsy n’importe qui dia afaka mampianatra aty
Fa ianao izany matoa mapianatra aty allemagne dia efa professional mahafeno ny condition takiana rehetra ianao izany
Ary ry zareo matotra
Tsy hoe tsy matotra akory ny any madagasikara fa discipliné angamba
Discipliné ny any Madagascar tena discipliné tsara mihitsy
Fa hitako hoe hafa kokoa ilay aty
Ry zareo koa mipetraka amin’ny place-ny dia hapetrakin’ny fanjakana amin’ny place-ny
Dia normal be izany ry zareo raha tena miasa be
Satria mihitsy izany izay zavatra tena tinao atao no ataonao
Ohatra hoe: mahafinaritranao ny mikarakara zaridaina dia ampanaovana formation professionel momban’ny zaridaina ,dia lasa mpikarakara zaridaina fotsiny izany no spécialité anao
Ohatran’izay ilay aty
Raha hanao trano izany isika dia olona ninatra resaka manangana rindrina izay fotsiny no formation nataony no alain-tsika
Olona nianatra momban’ny carrreaux izay no manao ny carreaux
Olona manao ny tafo olona ninatra momban’ny tafo
Olona mandoko an’io trano io olona nianatra momban’ny fandokoina
Fa ny any amin-tsika amin’ny maha firenena mbola eo andalam-pandrosoina ny azy dia ohatran’ny hoe mety foana ilay trano rehefa mivoaka tsara fotsiny dia izay angamba
Fa ny aty tena hoe mipetraka ilay condition hoe Ianona no manao an’ito dia I ianona no manao an’ito dia ohatran’izay ilay système aty

FANONTANIANA AVY AMIN’NY MPANARAKA
Miarahaba ô,Romario ve mbola mitondra ronina voanjobory le atao anaty bocal kely ohatrin’ilay taty madagasikara rehefa mandeha mianatra any? Resaka matotra ka ,ahoana ilay fiainana mipetra-drery any allemagne any ?an’ny sakafo isan’andro régulier tsara ve?

ROMARIO: raha tany amin’ny ENS aho nitondra ronina voanjobory ao anaty bocal dia amin’izao indray aty misy cantine scolaire am-pianarana
Fa tsy voatery hihinana ao amin’ny cantine
Ilay cantine aty mandoa vola fa kely
Fa afaka tsy manao cantine fa izaho sahy miteny hoe afaka mankany amin’ny burger king aho rehefa noana mihinana humburger ,tacos… na ohatra ohatran’izay na pizza izay no fihinako rehefa tsy mihinana ao amin’ny cantine aho
Dia rehefa tsy mihianana ao amin’ny cantine ao no sady tsy mihinana ao amin’izay toerana izay dia mitondra avy aty an-trano aho
Satria moa ny tena mipetra-drery dia tsy maintsy misy ny gestion an’ny resaka sakafo aty
Izaho moa tsy hafeniko fa izaho mbola mihinam-bary aho ,ary saika isan’andro
Rehefa kamo mahandro vary aho dia mandeha amin’ny supermarché
Eny amin’ny supermarché moa misy an’ilay pizza efa vita ireny dia hafanainao fotsiny ilay izy aty an-trano , fa izaho en génerale izany mbola mihinam-bary isan’andro
Dia ianao moa ilay mipetra-drery sy hoe mahaleo tena dia miezaka ny manaraka regime normale tsara satria ny fianarana henjik’enjehana ilay asa koa mandeha ihany any amin’ny pratique
kanefa rehefa misy fotoana manao pratique amin’ny atoandro dia misakafo atoandro any am-piasana
tsisy olana izany ny resaka sakafo aty allemagne

FANONTANIANA AVY AMIN’NY MPANARAKA
Manja ve ny sipa any allemagne?Hihi
Hijery EURO 2024 ihany ve isika ?

ROMARIO: io moa samy manana ny fahitany azy fa misy foana ny tsara dia misy koa anefa tsy tsara…
Dia raha tsy diso aho dia nametraka fanontaniana ihany koa io ranamana io io hoe hijery EURO ve? Ny EURO 2024 dia atao aty allemagne
Rehefa atao aty allemagne dia misy nofinofiko anakiray mba ho tanteraka amin’io fotoana io satria handray anjara ny portugale izaho tena fan an’I Cristiano Ronaldo
Ho avy aty izany Cristiano Ronaldo hanao baolina dia efa ni-commande billet aho amin’izao fotoana izao ary hijery EURO izaho amin’ity 2024 ity
Ao anatin’ny divertissement izany izay zavatra izay
Anisan’ny avantage izany izay zavatra amin’ilay hoe izaho ilay aty ,satria sarotsarotra raha avy any madagasikara ny andeha h oaty hijery EURO
Fa izaho izany izao manana possibilité mba hijery an’I RONALDO mivantana sady hijery match EURO mivantana, dia hijery aho amin’ity.

FANONTANIANA AVY AMIN’NY MPANARAKA
Inona daholo ny zavatra ilaina raha hangataka bourse mankany allemagne?dia raha vao afaka baccalauréat ve mety misy bourse mankany?

ROMARIO ny fangatahana bourse aloha iny information mbola tsy nojereko
Fa ny zavatra fantatro izao hoe raha io BAC antsika io arak’ilay zavatra noteneniko teo hoe mitovy amin’ny BEPC
Izany hoe:raha hanohy izany ianao dia tsy maintsy ilay AUSCHBUILDUNG(allemand) no ataonao ao arinan’izay
Ilay formation professionel mianatra asa raha ohatra hoe BAC fotsiny
Fa ny adinoko kely tamin’ilay nanazava teo dia ilay AUPAIR, EFESCHAUTE(allemand) na ilay formation mianatra asa io minimum BAC
Izany hoe:mila manana BAC ianao fa mbola hamafisiko ihany fa ny critère voalohany dia certificat langue allemande
Misy bourse kosa aty raha manana BAC français ianao miampy condition certificat langue allemande C1
Na ihany koa hoe:manam-bola ianao dia afaka miditra amin’ny Université aty raha manana LICENCE avy any Madagascar dia miverina première année aty

FANONTANIANA AVY AMIN’NY MPANARAKA
Miarahaba ô,raha hoe mahay langue anglaise fa tsy mahay allemand ve dia mety ho tafiditra ihany?Misaotra ô…

ROMARIO: tsara be izay fanontaniana izay arak’ilay noteneniko teo hoe avy any amin’ny AIMS no mandefa ankizy mianatra aty,ireo ankizy any amin’ny AIMS no mandefa ankizy hanao master de recherche aty anefa tsy mahay langue allemande na ataoko hoe fiarahabana aza angamba mety tsy ho hainy kanefa ry zareo nanao recherche taty
Izany hoe amin’ny maha teny iraisam-pirenena ny teny anglais dia important be ny fahaizana teny anglais
Izany hoe anisany critére takian-dry zareo raha ohatra ka hoe hanao master ianao na doctorat ny anglais mipetraka foana
Fa kosa raha ohatra hianatra arak’ilay noteneniko teo hiverina première année ianao di any allemand aloha no tsy maintsy pioritaire na mahay anglaise be tahakan’inona aza ianao
dia tsy maintsy mitaky ry zareo allemande B2 na C1
Tsy afaka mandeha irery izany ilay anglaise raha ohatra ka hanao an’ilay AUSCHBUIDUNG(allemand) ianao na hanao an’ilay étude universitaire izay angamba no azoko lazaina
Satria mi-compte foana ilay langue na dia ataoko hoe amin’ny fianana andavan’andro amin’ny fiaraha-monina aza ilaina be satria ho any anaty bus ianao na koa hoe any anaty train mila mahay an’ilay allemand foana

FANONTANIANA AVY AMIN’NY MPANARAKA
Romario herilanto tongavasoa fa liana be,mahafinaritra mihitsy rehefa misy mihaino ny fangatahanao.


ROMARIO Coucou Sahaza, Sahaza mintsy anisan’ilay nangataka hoe mba tantarao ny parcous-nao
Dia ohatrohatran’izay izany ilay nahatongavako aty sy ny zava-misy aty
Fa mbola haveriko eto ihany fa izao tompoko tsy agence tsy mandray dossier aho no tsy mikarakara ary tsy mandefa izaho tsy agence no ary tsy hanao agence aho
Fa miezaka ny mampafantatra hoe inona daholo ny zava-misy aty

Antsa mankasitraka an’io Romario ary nivahiny teto amin’ny pejy dia mankasitraka anao ihany koa izay nanaraka hatramin’ny farany ity video ity dia aza adino ny mizara amin’ny namana sy manaraka ny pejy;
Amin’ny manaraka indray…

BONUS:
Maro ny zavatra mampiavaka an’I Allemagne raha mihaotra an’ireo firenena européen hafa. Fa handray ohatra vitsvitsy fotsiny aho ireto ho tanisaiko aminareo. Ny ohatra voalohany raisiko dia resaka qualité de vie
Ambony dia ambony sady tsar any qualité de vie aty allemagne
Ny ohatra faharoa dia ny resaka environement. Allemagne dia anisan’ny firenena tena sarotiny amin’ny resaka tontolo iainana izany hoe ny resaka fikajiana ny tontolo iainana noho izany izany dia anisan’ny tanana anisan’ny firenena azo lazaina fa madio indrindra aty Europe I Allemagne
Dia ny ohatra faha telo resaka sécurité. Betsaka ny firenena efa hitako ankoatra an’I madagasikara izay tsy ho tononiko eto fa raha resaka securité angamba allemagne no firenena tsara indrindra amin’ny resaka sécurité
Ny ohatra farany ho raisiko di any resaka karaman’ny mpiasa
Azo lazaina ho comfortable indrindra aty Europe ny karaman’ny mpiasa eto allemagne. Ny dikan’izany azio hivelomana tsara izany aty
Aty allemagne tsy misy université francophone hoe tena hoe université français fotsiny. Fa kosa misy université franco-allemand izany hoe izy io dia coopération ny franco allemande amin’ny resaka ensegnement superieur sy domaine des recherche. Dia afaka manohy ao daholo izany na ny mpianatra avy eto an-toerana na ny avy any ivelany afaka manao recherche kely amin’ny internet ianareo raha hijery ny momban’izay

Ilay resaka bourse doctorat efa nazavaiko tany ambony
Misy an’ilay DAAD teny allemand moa ny fanazavana azy fa hazavaiko tsotsotra en français ilay izy office allemande d’échange universitaire
Izany hoe échange entre université izany izy io dia afaka mijery ao ny tsirairay sy maka izay tandrify azy
Fa ny fahafantarako an’azy io fotsiny raha ohatra ka koa hangataka bourse amin’ilay izy ianao dia tsy maintsy inscrit amin’ny université any Madagascar fa séjour de recherche fotsiny no ataonao aty allemagne satria resaka échange ilay izy. Izay no fandehan’io DAAD io. Ny resaka manambady sy ny tsy manambady mbola tsy nisy critique an’izay angamba hatreto aloha fa normalement afaka mitady bourse foana na manambady na tsy manambady.

Farany hanampiko kely ny resaka information mitady étude universitaire aty Allemagne. Raha ohatra izany ho an’ny ankizy ilay vao afaka BAC ireny
Raha hoe afaka BAC izy dia mieritreritra ny anohy amin’ny université aty allemagne dia tsy afaka manohy avy hatrany izy hoe BAC avy any madagasikara no andehanany hiditra amin’ny université fa tsy ampy
Fa kosa misy moyen dia lizao ilay moyen.
Miverina manaraka student collègue(allemand) ilay ankizy dia avy eo miverina mi-passé first lung(allemand)sy…..FUNG(allemand)
Izany hoe ohatran’ny miverina terminale dia ohatrin’ny hoe miverina maka BACC an-dry zareo allemand abitur (allemand) mihitsy
Fa kosa raha manana BACC français ianao dia misy condition hoe mila manana C1 dia tsy mandala an’ilay cours préparatoire teo
Dia ny BACC allemande moa iny izany mazava ho azy raha ohatra nianatra tamin’ny école allemande ianao na tsy tao allemagne aza dia mazava ho azy fa tafiditra amin’ny université aty ianao!

Asa be ry zareo ny mandika an’ity interview ity amin’ny teny gasy ka raha misy fanitsiana dia apetraho eto amin’ny commentaire dia ovako a!

Mankasitraka namaky hatramin’ny farany!

Antsa

--

--

Antsa Honeywinner

Math Ph.D. student and Grad Teacher of Record (Clemson University)